Eglizy katolika : Miankina amin’ny Eveka ny fanokafana ny fiangonana

Taorian’ny fepetra noraisin’ny Fitondrana namahana tsikelikely ny fihibohana an-trano, dia nitondra fanazavana ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny toeram-ponenany ao Ampasimazava Toamasina, omaly ny Mgr Tsarahazana Désiré, kardinalin’ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara, momba ny fiverenan’ny fisokafan’ny fotoam-pivavahana any amin’ny isam-piangonana. Araka ny fanazavany, dia malalaka ny Eveka any anivon’ny Diosezy tsirairay amin’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra arakaraka ny zava-misy any aminy.
Miankina amin’ny fahitan’ny Eveka any amin’ny Diosezy ny zava-misy isaky ny Faritra no hanokafana na tsia ny fiangonana, araka ny nambarany tamin’ny mpanao gazety tany Toamasina. “Anjaran’ny Eveka isaky ny diosezy avy no mandinika ny zava-misy any aminy, ka mandray ny fepetra amin’ny hanokafana na tsia ny fiangonana, handraisana ny mpiangona. Mila hajaina kanefa mila ny lalàna mifanaraka amin’ny fepetra ara-pahaslamana izay nambaran’ny Fanjakana amin’ny fetran’isa tsy azo ihoa­rana”, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré.
Mbola manankery kosa ireo fepetra rehetra noraisina teo aloha, hoy ny Kardinaly Tsarahazana, toy ny famerana ny fanaovana Sorona Masina ho an’ireo Pretra sy ny Eveka irery ihany ary ny fandefasana izany amin’ny fitaovan-tserasera samihafa, na radio na televiziona mba ahafahan’ny mpino manaraka izany any amin’izay toerana rehetra misy azy.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.