Famoahana gadra antsokosoko : Mpandraharahan’ny fonja 3 nidoboka am-ponja

Mpandraharahan’ny fonja 3 ao amin’ny fonjan’Antanimora no naiditra vonjimaika eny am-ponja, noho izy ireo voarohirohy aminà raharaha famoahana gadra antsokosoko sy fanaovana kolikoly ary fanararaotam-pahefana.
Izy ireto no fantatra fa tompon’antoka sy niray tsi­kombakomba tamin’ny famoahana ilay vehivavy, izay tokony migadra ao Antanimora. Ity farany izay fantatra fa voarohirohy aminà resaka fanondranana rongony mavesatra any ivelany.
Ny herinandro lasa teo no nisehoan’io famoahana gadra io, ka nahasaronan’ny zandary izany firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy izany.
Nosamborina ilay vehivavy gadra, ary nohadihadiana sy natao famotorana ihany koa ireo mpandraharahan’ny fonja.
Fantatra fa antony ara-pahasalamana tany am-boalohany no nolazain’ireo mpandraharahan’ny fonja, fa namoahana azy io. Rehefa nandeha anefa ny fikarohana sy ny fanadihadiana dia hita fa tsy ara-dalàna izany. Mampiasa fitombokanà hopitaly lehibe iray eto an-drenivohitra izy ireo teto no sady mangalatra ny sonian’ny tomponandraikitra ao an-toerana.
Ny talata lasa teo no niakatra teny amin’ny PAC ity raharaha ity, ary dia tsy naha afa-bela ireo mpandraharahan’ny fonja 3. Ilay gadra navoaka kosa dia efa naverina eny Antanimora.
Araka ny vaovao voaray dia mbola misy olona 2 hafa, ka mpitandro filaminana ny iray no hadihadiana sy atao famotorana amin’izao fotoana izao.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.