Fandikana ny fepetra ara-pahasalamana : « misy mihoa-pefy ny mpitandro filaminana sasany »

Miakatra ny feo any Fianarantsoa noho ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana sasany amin’ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hiadiana amin’ny areti-mifindra Coronavirus. Mbola maro ireo tsy manaja izany, ka miteraka fifamaliana henjana miafara amin’ny herisetra indraindray. Ireo mpivarotra avy any ambanivohitra sy avy amin’ny faritra manodidina, izay tonga mivarotra ao Fianarantsoa, no voalaza fa tena lasibatr’izany. Toy izany koa ireo mpampiasa lalana izay mbola mivezivezy ao Fianarantsoa, hoy ny loharanom-baovao any an-toerana.

Mitaraina fa iharan’ny herisetra am-bava sy herisetra ara-batana ireo mpivarotra sy ny mpampiasa lalana. Matetika, hoy ny loharanom-baovao, no isian’ny fifandirana miafara amin’ny fifandonana eo amin’ny fanatanterahan’ny mpitandro filaminana ny asany ho fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana takiana ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Andaniny, ireo olona izay mamaly sy miaka-peo, ankilany, ny mpitandro filaminana izay tsy mahazaka ny vava tafahoatra atao azy ireo, ka miafara amin’ny herisetra.

Teo anatrehan’izany, dia nilaza ny Goverinoran’ny Faritra Matsiatra-Ambony, Razafindrafito Lova Paupil, fa “tsy misy manome baiko hanaovan’ny mpitandro filaminana fikasihan-tanana na herisetra amin’olon-tsotra, fa fanararaotam-pahefana izany raha misy. Efa manomboka ny fizarana ny fanampiana isan-tokonam-baravarana, ka baiko hamerenana ny olona hiverina any an-trano no nomena ny mpitandro filaminana”. Manentana ny olona ny Goverinora mba history, miaraka min’ny porofo, raha toa ka misy ny trangana herisetra sy fihoaram-pefy ataon’ny mpitandro filaminana.

NIvory maika ary namoaka fanambarana ihany koa ny OMC tarihan’ny Prefen’i Fianarantsoa teo anatrehan’izany. “Raha misy tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny zavatra ataon’ny mpitandro filaminana, dia azo antsoina ny tomponandraikitra”, hoy ny Jeneraly Tsiketa Bernard, lehiben’ny Zandary any amin’ny Faripiadidian’i Fianarantsoa.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.