Faritra Itasy : nanohy ny fizarana arovava ny Governora

Tsy ankiato fa mitohy ny ezaka ho fisorohana ny fihanaky ny Coronavirus ao amin’ny Faritra Itasy.

Efa nahazo ny anjarany tamin’ny fizarana arovava ireo mpanamory fiara sy aides chauffeurs ao amin’ny kaoperativa rehetra miasa eto amin’ny Faritra Itasy, ireo mpitandro filaminana miasa eny amin’ny RN1 sy RN 43, ireo mpikambana ao amin’ny Comités de vigilance. Nahazo ny anjarany avy amin’ny Governora ihany koa ireo mpivarotra entana andavanandro avy ao amin’ny kaominina Ambatomirahavavy, Ampefy, Ampary, Soavinandriana ary Antoby-Est. Ho azy ireo dia solontena avy amin’ny Kaominina, ben’ny tanàna sy mpanolotsaina no notolorana ireo fitaovana, ka ireto farany no hitsinjara izany amin’ireo mpivarotra isanisany avy.
Tsy adino tamin’izao fampitaovana fisorohana ny fihanaky ny valanaretina “coronavirus” izao ihany koa ny mpiasan’ny “voirie” ao amin’ny Kaominina Miarinarivo.

Izao no natao dia ny fifandraisan’izy ireo amin’ny olona maro eo am- panatanterahany ny asany andavanandro.
Nanamafy ny governora fa mbola hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpivarotra any amin’ny Kaominina hafa.

Ireo arovava dia fantatra fa avy amin’ny “Association Humanitaire Angela” no nanome izany, izay miisa 5000 ary novidiana 500 ariary ny iray.

Miezaka manampy amin’ny fampiharana ireo paikady hiarovana ny vahoaka aty Itasy ny Governora sy ny CCO COVID-19 Région Itasy.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.