Faritra SAVA: tsy misy ahiana ireo olona 26 notiliana

Nivaly ny vokatry ny fitiliana natao tamin’ireo olona 26 tany amin’ny Faritra SAVA. Tsy misy ahiana ny fahasalaman’izy ireo ary niiba avokoa ny vokatry ny fitiliana. Araka ny fanazavana, dia mpandeha avy any Frantsa, Dubaï, La Réunion, Maorisy ary Koweït ny 24 tamin’izy ireo. Mpandeha avy eto Madagasikara kosa ny 2 dia mpandeha fiaramanidina avy aty Antananarivo nihazo an’i Sambava.

Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mpandeha hafa izay nihazo ny Faritra SAVA, niaraka tamin’ny sidina avy any ivelany ny 11 Martsa 2020 hatramin’ny 14 Martsa 2020. Toa izany koa ny sasany amin’ireo mpandeha tamin’ny sidina ny 15 Martsa 2020 hatramin’ny 19 Martsa 2020 lasa teo. Mitohy ary hamafisina ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra iadiana amin’ny fiparitahan’ny areti-mifindra coronavirus. Henjana ny sazy ho an’ireo izay minia tsy mampihatra izany.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.