Fepetra ara-pahasalamana : tsy misy rano ny mponin’ny Abatoara Antsirabe

Tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina Coronavirus any amin’ny fokontany Abatora Antsirabe. Olana goavana sedrain’ny mponina ny tsy fahampiana na fahasahiranana amin’ny fahazoana rano fisotro madio sy hidiovana. Tsy ampy ny paompy fantsakana, kanefa azo ambara ho toerana be olona ao Antsirabe izany toerana izany.

Sahiran-tsaina sady matahotra ny mponina, indrindra amin’izao vanim-potoana mahasaropady ny fitandroana ny fahadiovana izao. Manao antso avo amin’ny Kaominina ny mponin’ny Abatoara mba hijerena ny hametrahana paompy eny amin’izy ireo. Toy izany koa ny hanalefahana ny vidin’ny rano noho ny tsy fananan’ny ankamaroan’ny mponina ny fahefa-mividy.

Mangataka ny hanamafisana ny fanentanana ao aminy ny fokontany Abatoara satria tsy voahaja ihany koa ny fihibohana sy ny fampiasana aro-vava na eny an-tsena na eny an-dalana, indrindra amin’ny hariva izay tsikaritra fa mampitombo ny isan’ireo olona mivoaka eny an-dalana.

MAMY (Antsirabe)

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.