Fetin’ny Paska 2020 : 200 Ar ny atody…

Mitobaka ny atody etsy amin’ny tsenan’ny tantsaha Antohomadinika.  200 ariary hatramin’ny 300 ariary dia efa mahazo atody iray, raha toa 400 ar hatramin’ny 500 ar izany isan-taona amin’ny fetin’ny Paska toy izao. Mandalo fotoan-tsarotra, toy ny firenena iray manontoloa ihany koa ireo mpivarotra, araka ny fanazavan’izy ireo. Mihitsoka ary mitobaka ny atody eto amin’ny tsenan’ny tantsaha. Atody hatrany amin’ny 4 hetsy isa isan’andro avy any Mahitsy no tonga amidy  eto amin’ity tsena ity. Ankoatra ireo tsenakely eto an-drenivohitra, dia ireo  mpamongady avy any amin’ny faritany sy ny Faritra hafa no tena  manjifa ny atody amidy eto.  Tsy misy mividy atody anefa ireo hotely, ireo mpanao mofomamy sy ireo mpivarotra hani-masaka mpampiasa izany mahazatra, ka dia mikatso tanteraka ny tsenan’ny atody. Araka ny fanazavan’ireo mpivarotra hatrany dia  noho ny hamehana ara-pahasalamana mikasika ny coronavirus amin’ny tsy fahafahana mivezivezy sy mivarotra ara-dalàna, dia mizaka fantiantoka izy  ireo. Rehefa tsy lafo ao anatin’ny andro vitsivitsy  anefa ny atody, hoy ireo mpivarotra, dia tsy maintsy ariana noho izy anisan’ireo vokatra fihinana mora samba sy tsy azo tehirizina maharitra loatra. Noho izany, dia maro no tsy azo amidy intsony.

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.