Fiainana andavanandro : Miverina amin’ny laoniny tsikelikely

Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiainana eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Toamasina. Izay no fepetra goavana nambaran’ny filoha Andry Rajoelina omaly alina. Afaka manao ny asany ireo miasa tena ary  miverina ihany koa ireo fiara fitateram-bahoaka. Raha mikasika ity farany ity dia napetraka fa tsy tokony hihoatra ny 18 ny isan’ny olona ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka. Tokony tsy hisy ny mipetraka amin’ny afivoany sy ireo mpandeha mitsangana. Tsy maintsy manao aro-tava avokoa ireo mpandeha sy ny mpamily rehetra ary mialohan’ny hiverenana hiasa dia tsy maintsy hatao fanadiovana ireo fiara. Hisy ny fisavana ary izay tsy manaraka izany dia hampidirina “fourrière”.

Ho an’ireo fiara karetsaka indray dia tsy mahazo mihoatra ny olona 3 ny ao anatiny. Mbola tsy misy mahazo miasa kosa ireo taksiborosy mandeha any amin’ny faritra, miala amin’ireo tanàna telo voalaza ireo.

Manomboka ny alatsinainy 27 aprily dia tsy maintsy manao aro-tava avokoa ireo rehetra izay mivopaka eny an-dalambe. Izay tsy manao izany dia hahazo sazy toy ny fanaovana asa ho an’ny tombontsoam-bahoaka toy ny fanadiovana zaridaina na toeram-pivoahana ho an’ny daholobe. Nanomboka androany ka hatramin’ny alahady 26 aprily dia hisy ny fizarana maimaimpoana ity fitoavana iray ity.

Mbolatiana R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.