Fianarantsoa : mampikorotan-tsaina ny seraseran’ny Fanjakana

Miteraka fikorontanan-tsaina ho an’ny mponina any Fianarantsoa ny tsy fahalavorarian’ny serasera ataon’ny tomponandraiki-panjakana momba ny ady amin’ny Coronavirus. Mifamahofaho be ihany ny resaka tao anatin’ny 24 ora izao. Andaniny, ny Governora tany Fianarantsoa izay efa nampihatra ny fiihibohana, raha vao nisy ny tranga nampiahiahy tany an-toerana. Ankilany ny Minisitry ny Atitany izay nilaza tao amin’ny TVM, ny 02 Aprily 2020 fa Antananarivo sy Toamasina irery ihany no mampihatra ny fihibohana. Vao mainka nampisahotaka ny mponin’i Fianarantsoa ny fanambarana nataon’ny Governora taorian’ny resaky ny Minisitra ny 02 Aprily 2020, izay nilaza fa novahana ireo fepetra noraisina sy ny fihibohana any Fianarantsoa.

Niverina niakatra tao amin’ny TVM ny Minisitry ny Atitany ny marainan’ny 03 Aprily ary nanao fanitsiana ny fanambarana nataony ny 02 Aprily. Mihatra manerana an’i Madagasikara ny fihibohana, araka ny fanazavany. Mbola mahatonga ady hevitra anefa ireo fepetra sasany novahana tahaka ny fanokafana ny fitaterana amin’ny zotra rezionaly.

Eo anatrehan’izany, tsy miandry ny baiko izay tsy mazava avy amin’ny Fanjakana ny mponina ao Fianarantsoa, fa mifanentana ary misafidy nanamafy indray ny fepetra efa noraisina ary nampiharin’ny Governora any an-toerana. Betsaka ireo toeram-pivarotana, hoy ny mpanao gazety any Fianaranatsoa, no nisafidy hanakatona ny tsenany. Toa izany koa ireo olon-tsotra izay nisafidy hanohy ny fijanonany an-trano mba ho fifampitsinjovan’ny samy mpiara-belona.

Fehiny, mila mandrindra ny serasera ataony ny tomponandraiki-panjakana mba tsy hanampy savorovoron-tsaina ambonin’ny fanahiana efa iainan’ny olona andavanandro. Soa ihany fa mbola misy  ny olom-pirenena tsotra efa tonga saina ao Fianarantsoa, ka  mandray ny andraikitra manandrify azy  ho fiarovany ny tenany sy ny manodidina azy.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.