Fianarantsoa : tsy maintsy mihiboka 15 andro ireo mpandeha vao tonga

Namoaka didy ho fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hentitra ho an’ireo mpandeha rehetra vao tonga tamin’ireo fiara mpitatitra any aminy ny Kaominina Fianarantsoa Renivohitra. Tsy maintsy mihiboka 15andro any amin’ny toeram-ponenany ireo mpandeha rehetra vao tonga, araka ny voalaza ao anatin’ny Didim-pitondrana laharana faha-54-/CU/F/CAB/2020, nivoaka tamin’ny 07 Aprily 2020 lasa teo.

Tsy maintsy mandalo fitsirihana avokoa ireo fiara mpitatitra rehetra miditra an’i Fianarantsoa, ka eo Ampopoka no hanaovana izany ho an’ny fidirana avy any avaratra, ary ao Ankidona kosa ho an’ny fiara mpitatitra olona avy any atsimo.

Tsy miantsy manao taratasy fanekena, ahitana ny anarana feno, adiresy mazava ary laharan-telefaonina ahazoana azy avokoa ireo mpandeha rehetra. Toy izany koa ny fanaovan-tsonia ny fanekena tsy maintsy hihiboka 15 andro any amin’ny toeram-ponenana ivantanan’izy ireo tsirairay avy.

Nofoanana tsy hanan-kery avokoa ny didim-pitondrana rehetra mifanohitra amin’izany.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.