Amin’izao fotoana izao, dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fotoanan’ny fihibohana ny eto Antananarivo sy Fianarantsoa ary Toamasina.
Ny Filoham-pirenena kosa dia nilaza fa miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro isika rehefa niaina ny fihibohana tao anatin’ny 1 volana. Eo anatrehan’izany, dia efa samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo tomponandraikitra.
Ho an’ny EMMO/NAT dia namoaka izy ireo, fa voafetra ny fahafahan’ireo kamiao lehibe mivezivezy sy miditra an’Antananarivo.
Ferana eo anelanelan’ny amin’ny 3 ora tolakandro ka hatramin’ny 8 ora alina izany. Izany fepetra izany dia nihatra nanomboka omaly alakamisy 23 Aprily, ary efa nampahafantarina avokoa ireo mpitandro filaminana eny an-kianja.
Ireo izay manana fahazoan-dalana manokana irery no hany afaka mivezivezy amin’ireo kamiao sy fiara lehibe, fa ny ankoatra izay dia tsy afaka miasa raha tsy amin’ireo ora voatondro ihany.
Azo lazaina ho tampoka ho an’ireo mpamily sasany izany fanapahan-kevitra izany omaly, ka tao ireo tsy afaka nihetsika, tao ihany koa ireo tavela teny amin’ny lalam-pirenena miditra ny renivohitra. Tsy maintsy niandry ny ora efa voatondro izy ireo, izay vao afaka nanohy ny diany.
Izao fepetra izao no noraisina, dia ho fampihenana ny fitohanana, satria dia efa tsikaritra izany nanomboka ny alatsinainy lasa teo.
Eo ihany koa ny mety fanelingelenana madinidinika, ka tsy maintsy nandraisana izany fanapahan-kevitra izany.
Tantely A
