Habibiana : Novonoiny ny zava-badiny dia notsindroniny antsy ny tenany

Tantara mihosin-drà. Izay no azo ilazana ny tranga nahafatesana olona roa tany Anjombalava, Distrikan’i Sam­-
bava, ny 21 aprily lasa teo nanodidina ny tamin’ny 11 ora atoandro. Novonoin’ilay lehilahy ny zana-badiny, dia namono tena nanindrona ny tenany tamin’ny antsy izy rehefa tonga ny fokonolona, hoy ny loharanom-baovaon’olon-tsotra any an-toerana.
Vao herintaona sy iray volana ilay zazalahikely novonoin’ity raim-pianakaviana ity. Tsy fantatra izay tena antony nanosika azy hanao izany. Tsy tao an-trano ny renin’ilay zaza tamin’ny fotoana nitrangan’ny habibiana. Ilay raim-pianakaviana ihany no nanambara tamin’ny vadiny ny fahafatesan’ilay zaza tamin’ny fotoana niverenan’ilay ramatoa tao an-tokantrano.
Niantso vonjy avy hatrany ny renin’ilay zaza raha nahita ny fatin-janany nihosin-drà. Vory ny fokono­lona. Nisintaka moramora niaraka tamin’ny antsy ilay raikely nahavanon-doza. Vao tafaala ny olona nitangorona izy, dia notsatohany antsy ihany koa ny ambavafony.
Nifamonjen’ny fokono­lona ilay raim-pianakaviana ary nentina namonjy toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Nanohitra ary nitsoaka anefa ilay lehilahy rehefa tonga tao amin’ny Hopitaly. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nihazona azy. Nosamborina ary nafidnra toerana any amin’ny hopitaly any an-drenivohitr’i Sambava ity raim-pianakaviana ity ary mbola mitsabo tena ao hatramin’ny fotoana nahazoana ny vaovao.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.