Fihibohana 15 andro : ireo fepetra raisina

Ho fanatanterahana amin’ny antsakany sy andavany ny vanim-potoanan’ny fihibohana an-trano mandritra ny 15 andro manomboka androany indray, dia fepetra maro no nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ka tsy maintsy apetraka. Ny voalohany, dia ny fametrahana ny Komity “Loharano” ahitana ny sefo Fokontany sy ny « chef secteur », ny olom-pirenena tsara sitrapo izay eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana, ny Fampianarana na koa ny Mpitandro filaminana izay nohamafisina fa tokony ho olona tsy andairan’ny kolikoly. Ity komity ity ihany koa dia hitantana sy hanaramaso ny fitsinjarana ireo vatsy eny anivon’ny vahoaka.

Nambaran’ny Filoham-pirenena omaly alina ihany koa fa afaka mandeha mamonjy ny fodiany any amin’ny Faritra ireo olona izay te hanao izany, toy ireo mpianatry ny oniversite, ohatra. Hisokatra rahampitso 7 Aprily hatramin’ny alakamisy 9 Aprily ny toeram-piantsonan’ny fiara fitaterana mihazo ny Faritra sy ny faritany. Misy anefa ireo fepetra tsy maintsy apetraka, toy ny fametrahana toerana fanasana Tanana eny amin’ny toeram-piantsonan’ny taxi-brousse, ny fanadiovana amin’ny ranom-panafody ny fiara tsirairay izay hanainga, ny fakana ny hafanan’ireo mpandeha ary koa ny tsy maintsy hanaovana aro-vava. Ity fitaovana ity izay nomarihany fa tsy maintsy hanaovan’ny olon-drehetra izay mivoaka ny trano mandritra izao 15 andro fihibohana faharoa izao.

Hisy ihany koa ireo zotram-piaramanidina izay hosokafana mandritra ireo 3 andro ireo ihany (7 hatramin’ny 9 Aprily), saingy ireo zotra mampitohy an’Antananarivo sy ny Faritra mbola tsy ahitana ity valan’arerina ity ihany, no hisian’izany, izany hoe ny mihazo an’i Mahajanga, Toliara, Taolagnaro, Nosy-Be, Morondava ary Antsiranana. Tsy maintsy hatao fitiliana TDR avokoa ireo mpandeha rehetra.

Mbolatiana R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.