Fihibohana : mbola maro ireo tsy manaraka izany

Na dia efa ho folo andro aza izao isika eto Antananarivo sy Toamasina no efa anaty fihibohana tanteraka, dia mbola maro amin’ireo olona ihany no minia tsy manaraka izany. Toy ny amin’ity sary ity, izay vao nalaina tetsy sy teroa teto an-drenivohitra io maraina io, dia mbola manao baolina soamantsara eo amina kianja iray ny ankizy sy ny tanora, mifampikasoka tanteraka, ny sasany indray mbola mifamangy sy mijorojoro eny an-dalana mitafatafa… ary tsy voahaja velively ny elanelana 1 metratra eo amin’ny samy olona. Mamerina hatrany anefa ireo tomponandraiki-panjakana fa ny hevitry ny fihibohana dia ny fijanonana ao an-trano, tsy mandray vahiny ary tsy mivoaka raha tsy efa misy ny hamehana.   

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.