Filohan’ny FIFA : Gianni Infantino « Mila mampiseho firaisankina hiadiana amin’ny covid-19 ny Baolina kitra maneran-tany »

Ny 24 Martsa lasa teo, dia nanao fanentanana ho an’ny mpisehatra eo amin’ny baolina kitra maneran-tany ihany koa ny filohan’ny FIFA, Gianni Infantino, amin’ny ady hatao amin’ny fipariahan’ny valan’aretina COVID-19. Tany amin’ny foiben’ny OMS tany Genève moa no nanaovany izany. Nilaza àry ity laharana voalohan’ny baolina kitra maneran-tany ity, fa mandalo fotoan-tsarotra amin’izao fotoana izao ny rehetra manoloana ity mpifanandrina atahorana ity, dia ny COVID-19, nandritra ny Vidéoconférence niarahany tamin’ny Tale Jeneralin’ny OMS, ny Dr Tedors Adhanom Ghebreyesus. Manoloana izany indrindra, dia tokony hampiseho firaisankina ny Baolina kitra maneran-tany. “Tokony hampiseho fiaraha-miasa matotra isika, ahafahana manangana ekipa mahery” hoy I Gianni Infantino. Tsy azo atao ambanin-javatra sy tokony hatao laharam-pahamehana, hoy hatrany ity filohan’ny FIFA ity, ny ady atao amin’ity areti-mandoza ity. Ny fahasalamana aloha no zava-dehibe, ka mila ampandeferina ny zavatra tahaka ny fifaninanana baolina kitra, hoy izy. Tahaka ny amin’ny lalao baolina kitra, dia mila mivoaka ho mpandresy manoloana ny COVID-19 ny rehetra, na dia hita ho mpifanandrina mafy aza izy io. Mila miaraka miady amin’ny COVID-19 aloha ny mpisehatra eo amin’ny baolina kitra maneran-tany. Rehefa azo ny fandresena, dia azo alamina ny mahakasika ny tohin’ny fifaninanana sy ny fepetra tokony hanarenana azy. Tsy maintsy araka izany, ny fanohanana isan-karazany ataon’ny FIFA, ho an’ireo  firenena mpikambana ao aminy. Mba ho fandraisana anjara amin’ity ady atao ity àry, dia mpilalao kalaza miisa 28 no niara-nientana amin’ilay “Campagne Vidéo Commune OMS-FIFA” hampita ilay hafatra “Passe le message pour éliminer le Coronavirus”. Horonantsary izay manentana amin’ireo fihetsika 5 tokony atao hiadiana amin’ny COVID-19, dia ny fanasana tanana matetika, ny fomba fikohafana, ny tsy fikitihana ny tarehy amin’ny tanana, ny fanajana ny elanelana misy rehefa tafavory na miresaka, ary ny fihibohana ao an-trano. Ary farany, dia nanolotra 10 Tapitrisa Dollars ho an’ity ady atao ity ho an’ny OMS ny FIFA.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.