Fitaterana: Averin-dalana izay taxi brousse tsy mahafeno ny fepetra.

Misokatra manomboka androany Talata 07 aprily 2020 ka hatramin’ny Alakamisy 09 Aprily 2020 ny fitaterana ho an’ireo olona izay te hamonjy fodiana any amin’ny faritra niaviany, araka ny fepetra nambaran’ny filoham-pirenena, ny alahady 05 Aprily 2020 lasa teo.

Hentitra ny fampiharana ny fitsipika. “Ny tsy fahafenoan’ny fepetra, na dia iray monja amin’ireo aza, dia tsy hahafahan’ny taxibrousse manohy ny lalany. Raha voamarina ny tsy fahafenoan’ireo fepetra ireo, dia tsy maintsy averin’ny zandary eny amin’ny barazy lalovany,  any amin’ny toerana niaingany ny fiara sy ny mpandeha ao anatiny”, hoy ny Tomponandraikitry ny zandarimariam-pirenena izay nanao fanamarinana ny fiaingan’ireo fiara mpitatitra olona tao amin’ny tobim-piantsonana Ankazondrano Fianarantsoa, io maraina io.

Miisa dimy ireo fepetra voalaza fa tsy maintsy arahana. Tsy maintsy manana “Autorisation spéciale” na ny fiara na ny olona. Tsy maintsy manana “Attestation de désinfection” ny fiara. Momba ny fandaminana ny toerana, dia noferana ho mpandeha 3 isaky ny « banquette » ho an’ny fiara sprinter ary 2 isaky ny “banquette” kosa ho an’ny fiara minibus toy ny mazda. Olona iray ihany no mipetraka eo amin’ny seza anoloana, manakaiky ny mpamily. Tsy maintsy misy rano sy savony ao anatin’ny fiara tsirairay, ary farany,dia tsy maintsy manao aro vava na “cache-bouche” ny mpandeha rehetra ao anaty fiara. Ny tsy fahafenoan’ny iray amin’ireo fepetra ireo, dia mitarika famerenana an-dalana ny fiara mpitondra mpandeha izay ahatrarana ny fandikana ny fitsipika.

Raha ny zava-misy any an-toerana anefa, dia tsikaritra fa vao eo amin’ny toby fiantsonan’ny fiara aza, dia efa maro ireo fepetra tsy voahaja. Anisan’izany ny elanelana iray metatra kanefa maro ireo olona mitangorona. Mbola betsaka ihany koa ny olona tsy manao aro vava na “cache-bouche” izay mivangongo manoloana ny biraon’ireo kaoperativa fitaterana.

DRR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.