Fitsaram-bahoaka : nahafaty polisy Olona 25 natao famotorana

Olona miisa 25 ankehitriny no alaina ambavany tao amin’ny kaomisaria ao Ambanja taorian’ny hetsika fitsaram-bahoaka nahafatesana polisy iray tao Ambanja ny sabotsy lasa teo.
Raha ny fanazavana voaray, dia nisy tamin’ireto olona ireto no nitolo-batana ary nisy ny olona nisy nitory na nanome vaovao mikasika ity raharaha ity. Fantatra moa fa nandray an-tanana izao raharaha izao ny OMC, ivondronan’ny mpitandro filaminana miaraka, izay ahitana ny polisy sy ny zandary ary ny manam-pahefana any an-toerana.
Tsiahivina moa fa namita iraka tao amin’io tanànan’Analabe io ireo polisy 3 niaraka tamin’ny mpitari-dalana iray. Voalaza mantsy fa misy ny tambazotra mpanao trafika rongony tao amin’io toerana io, ka izay no antony nahatonga azy ireo ho any an-toerana.
Tsy araka ny nampoizina anefa ny zava niseho rehefa niditra ny Tanàna izy ireo, satria dia efa lasa nitsoaka ireo olona izay voalaza fa mpa­nao trafika rongony. Nifanehitra tamin’ny sefo Fokon­-
tany sy andiam-pokonolona kosa ireto polisy niaraka tamin’ilay mpitari-dalana, ka notondroin’ireo vahoaka ho mpamadika avy hatrany ilay mpitari-dalana. Nokasain’ny vahoaka hatao fitsaram-bahoaka izy io teo, ka raikitra ny famonoana. Nanaovan’ny olona tambabe araka izany ireo polisy 3 lahy sy ilay mpitari-dalana, ka maty teo ilay polisy iray, ilay mpitari-dalana kosa naratra mafy, raha afaka nitsoaka ireo polisy 2 hafa. Ilay polisy AP 2 Fiana Leonard Jean Patrick no namoy ny ainy tamin’izao fitsaram-bahoaka izao. Mbola tsaboina any amin’ny hopitaly kosa ilay mpitari-dalana naratra.

TR

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.