Fitsarana fiarakodia : misy mpiasa miandry raharaha

Nametraka lamina hiatrehana ny fanarahamaso ireo fiara mahazo alalana manokana hivezivezy ny Foibe Fitsarana fiarakodia (DGSR) mba ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga. Manomboka ny zomà 03 Aprily 2020 izao, dia hisokatra tapak’andro ny fitsarana fiarakodia eny Betongolo, By Pass Alasora, Ivato ary Toamasina. Toy izany koa ny Ivotoerana fandraisana ara-teknika na « centre de réception technique ».

Hisy, araka izany, ny mpiandry raharaha amin’ireo toerana misahana ny fitsarana fiarakodia ireo ary miasa manomboka amin’ny 7 ora maraina izy ireo hatramin’ny 12 ora atoandro. Tsy maintsy manaraka ireo lamina sy toromarika ara-pahasalamana efa napetraky ny Fitondram-panjakana ny filaharan’ireo mpanjifa tonga hitondra fiara hotsaraina, mba hisorohana ny fiparitahan’ny tsimokaretina.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.