Manomboka androany, ato anatin’ny Herinandro Masina mialoha ny fetin’ny Paska, dia hamelona anjomara sy lakolosy ny fiangonana rehetra mpikambana ao amin’ny FFKM isan’andro amin’ny mitataovovonana. Amin’izany, dia manasa ny kristianina malagasy rehetra tsy ankanavaka hanao vavaka fifonana sy fibebahana izy ireo ho rojom-bavaka amin’izao Herinandro Masina izao sy ankatoky ny Paska izao.
Koa satria mbola mitohy 15 andro ny fihibohana an-trano, dia misy ny fiaraha-mivavaka ataon’ny FFKM mandritra ity Herinandro Masina ity mandeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy amin’ny fahitalavitra Ma-TV isaky ny amin’ny 5 ora hariva.
Mankahery ny Malagasy rehetra ny FFKM ary nanambara fa momba antsika tsirairay avy mandrakariva ny Tompo.
Sidonie R
Imprimer