Hidina eny ifotony ny Fitondram-panjakana

Taorian’ny fahitana ireo “cas contact” miisa 7 hatreto, dia nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana fa hidina eny amin’ny fokontany nahitana ireo “cas contact” ireo, toy ny eny Isotry, Ambondrona ary koa any Toamasina, araka ny fanazavana nentin’ny Pr Vololontiana Hanta omaly hariva. Amin’izany fidinana ifotony izany dia hisy ny fanadiovana faobe hotanterahana, sy fanentanana ary fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana hatao eny an-toerana. Ankoatra izay, dia hisy ihany koa ny fanaovana “Test de Diagnostic Rapide” (TDR) mba hijerena sao efa misy olona hafa mitondra ny tsimok’aretina ihany koa.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.