HVM : Ilaina ny fitandroana ny mangarahara sy ny demokrasia

Namoaka fanambarana, omaly, ny antoko Hery Vaovao hoan’I Madagasikara (HVM) manoloana ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19. Tamin’ny alalan’ity fanambarana nosoniavin’ny Sekretera Jeneraly nasionaliny, Atoa Rachidy Mohamed, ity, dia nanamafy ny antoko HVM amin’ny tokony hampiharana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana momba ny fihibohana ary nanao antso ho an’ny Mpitondra Fanjakana hitandro mandrakariva, toy ny anankandriamaso, ny fototra iorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara mandritra ny hamehana ara-pahasalamana, itantanana ny firenena ankehitriny. Ny fametrahana ny mangarahara sy ny fitsinjarana mitovy, ary ny fiahiana ara-tsosialy, no nangatahan’ity antoko ity. Fotoana ihany koa niantsoan’ity antoko ity ny filoha Rajoelina hamory indray ireo filohan’Andrim-panjakana misy eto amin’ny Firenena, ka hanao jery todika sy hanao tombana ny fivoaran’ny zavamisy, mialoha ny hakàna izay mety ho fanapahan-kevitra ny amin’ny hitantanana ny Firenena manomboka ny 05 Aprily 2020.

         Ny antoko HVM rahateo dia nanamafy fa hitondra ny anjara birikiny hiatrehana ity ady iraisampirenena ity amin’ny mety ho endriny maro samihafa, izany hoe na ara-kevitra, na ara-bola na ihany koa ara-pitaovana.

Marc A.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.