Ivandry : fiara 4×4 namaky barazy, nandratra polisy

Lehilahy iray no nosamborin’ny polisy tetsy Ivandry omaly. Tsy nanaja ny  lamina napetraka izy io, ka namaky barazy. Heverin’ny polisy fa natahotra ny fofon-toaka nisy taminy ilay mpamily, ka izay no antony nandosirany.

Nandalo teo amin’ny sakana apetraky ny Polisim-pirenena ity fiara 4×4 iray ity omaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Efa oran’ny “couvre-feu” rahateo moa io ora io, ka dia nosakanan’ny polisy ilay fiara ary notakiana ny taratasy fahazoan-dalana hivoaka amin’io ora io, sy ny taratasin’ny fiara.

Voalaza àry fa tsy nety nanome izany ilay mpamily ary nilaza fa mahafantatra olona ambony. Taorian’izay dia novelomin’ilay mpamily ny fiarany, ka izy hihemotra iny no nohitsiany ilay Polisy iray. Voadona mafy ilay polisy ary tapaka mihitsy ny tongony. Nosamborina avy hatrany ilay mpanamory, ary rehefa nozahana tamin’ny « alcootest », dia voamarina fa nisotro zavapisotro mahamamo izy. Mavesabesatra, araka izany, ny vesatra iampangana ilay rangahy, ka dia notanana avy hatrany izy.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.