Kaominina Ivato : zokiolona sy marefo 800 nahazo tohana ara-tsakafo

Mandritra izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao, dia nitondra ny anjara birikiny ny kaominina Ivato nanohana ara-tsakafo ireo zokiolona sy olona marefo ara-pivelomana ao aminy. Zokiolona sy fianakaviana marefo ara-pivelomana miisa 800  avy amin’ny fokontany 13 mandrafitra ny kaominina Ivato no nisitraka izany androany avy amin’ny mpitantana ny kaominina. Vary 3 zinga, atody, vatomamy sy ny maro hafa no natolotry ny kaomina azy ireo. Araka ny fanazavana nentin’Atoa Penjy Randrianarisoa, Ben’ny tanànan’Ivato, dia tohin’ny asa sosialy fanaon’ny kaominina izao hetsika izao mba hijerena manokana ireo sahirana sy marefo ara-pivelomana. Samy naneho ny hafaliany moa ireo nisitraka izany ary manantena ny hitohizan’izany, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra  lalovan’ny firenena izao. Nandritra ity hetsika fizarana sakafo ity dia nanentana hatrany ireo mponina ny ben’ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa, amin’ny  fanarahana ireo toromarika rehetra apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny ady atao amin’ny Coronavirus

NONO.R

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.