Kidnapping : 200 tapitrisa Ariary ho an’izay mahita an’i Lama

Vola be, 200 tapitrisa ariary no tambiny omena izay mahita an’i Lama na Ramandiamanana Norbert. Ity jiolahy ity dia kalazalahy amin’ny fakana ankeriny, ary efa an-taona maro no nikarohana azy.
Fantatra fa izy io dia isan’ny atidoha niketrika sy nandray anjara tamin’ny fakana ankeriny ilay teratany vahiny Anil Karim tetsy Ambohibe Ilafy ny 27 aprily lasa teo. Tao anatin’ny fanadihadiana lalina sy ny fijerena akaiky ny fomba nentin’ireo jiolahy nanao io asa ratsy io, no nahafantarana fa fomba fiadin’i Lama sy ny namany io niseho io.
Efa nikoizana sy nampitondra faisana ireo mpanam-bola tamin’ny resaka fakana ankeriny I Lama sy ny namany taona maro lasa izay.
Efa nisy ny fifampitifirana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana, ka nahalavo ireo namany, fa izy kosa dia tafatsoaka, ary io mbola karohina io hatramin’izao. Izany indrindra no hanomezan’ny Fitondram-panjakana tambiny 200 tapitrisa ariary amin’ny alalan’ny Zandarimaria, ho an’izay mahita ity jiolahy raindahiny ity.
Mikasika ity fakana ankeriny ny 27 aprily lasa teo ity, dia efa nisy ny voasambotra, hoy ny zandarimaria, ary nisy mihitsy ny fisavana trano efa natao.
Mbola ao anatin’ny fanadihadiana izy ireo amin’izao fotoana izao, ka tsy mbola afaka manome ny isa mavaza momba ireo voasambotra. Antso avo no nataon’ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ho antsika rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena izay mety mahafantapantatra na mety mahafantatra na koa mety mahita trangan-javatra hafahafa any amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy any mba hampandre haingana ny Mpitandro filaminana. Izany dia mba ahafahana manao ny hetsika avy hatrany sy handraisana fepetra.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.