“Kidnapping” : Toamasina Nosavaina ny tranon’i “Eddie bois de rose”

“Kidnapping” : Toamasina Nosavaina ny tranon’i “Eddie bois de rose”

Mifanaretsaka ny mpitandro filaminana any Toamasina, taorian’ny nahitana ny fatin’i Annie, ny Alahady alina teo. Nidina any an-toerana hatramin’ny alika mpitsongo dia avy amin’ny zandarimariam-pirenena hanamafy ny fikarohana. Ankoatra ny mpitandro filaminana Malagasy, dia efa misy ihany koa ny manam-boninahitra Frantsay miara-miasa amin’ny fitadiavana ny marina, indrindra amin’ny fanaovana ny fitsongoloana ireo antso an-taribia. Mitohy ny fisavana. Anisan’ny nilatsahan’ny mpitandro filaminana ny tranon’ny mpanao andramena malaza iray any an-toerana.
« Eddie vola sandoka » na « Eddie manambola » no nahafantaran’i Toamasina ity mpandraharaha ity tany am-boalohany. Nanomboka tamin’ny taona 2009 no nahazoany ny anarana hoe » Eddie Bois de rose » indray, hoy ny fanazavan’ny mpandraharaha namany any Toamasina.
Araka ny fivoaran’ny fikarohana natao, dia anisan’ireo voasambotra voalohany tamin’ity resaka fakana an-keriny ity ny olona akaiky an’ingahy Eddie Maminirina. Nandritra ny resaka nifanaovana tamin’i Ramialison Arland rain’izy miandahy nalaina an-keriny, no nahafantarana fa mbola nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny tany Sambava ihany koa ny iray tamin’ireo olon’i Eddie Maminirina ireo, taorian’ny nahatrarana azy.
Voatonona ao anatin’ny raharaha ny anaran’ity mpandraharaha ity, na dia fantatra aza fa tsy eto an-toerana izy amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo mpandraharaha efa manana antontan-taratasy eny anivon’ny fitsarana ity tompon’ny trano nanaovana fisavana ity. Tsy nipoitra hatrany anefa izy tamin’ireo fiantsoana rehetra nahakasika azy teny amin’ny fitsarana.
Hatreto, dia mbola miankina amin’ny fivoaran’ny fanadihadiana no ahafantarana izay tena mahatafiditra an’ity mpandraharaha ity amin’izao fakana an-keriny nitranga tany Toamasina izao.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.