Lanonam-panambadiana : voatery miandry kely ireo mpifankatia

Mbola mitohy amin’ity 15 andro fihibohana ity ny tsy fahafahana manatanteraka lanonam-pianakavian­a, indrindra ny mariazy, ka hatrehan’olona mihoatra ny 10. Anisan’ny tsy afaka nanatanteraka ny lanonana fangatahana sy fifamofoan’izy ireo i Domoina sy Lanto.

« Tena malahelo satria tsy tanteraka ny fanirianay. Efa ela mantsy no niandrasana ny datin’ny 5 Aprily teo, sady efa ela no nanomana izany izahay. Efa noheverina ihany ny hanatanterahana izany niaraka amina olona tena vitsy ihany, saingy mipetraka indray ny olan’ny tsy fahafahana mivezivezy sy mifanerasera ».

Raha ny fanazavana nomen-dRalehilahy, dia ny fampandrenesana ny fianakaviana tamin’ny fotoana farany no somary nanahirana kely. Tsy kivy anefa izy roakely fa miandry am-pitoniana ny daty vaovao. »Amin’izay fo­toana izay dia hotanterahanay avy hatrany koa ny fisoratam-panambadian­a », hoy ny fanazavany.

Mbolatiana

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.