Manararaotra fihibohana : andian-jiolahy mitam-piadiana mandroba ny vary eny ifotony

Mihorohoro noho ny fahatahorana ho tratry ny aretina coronavirus ny mponina any amin’ny tanàna ambanivohitr’Amoron’I Mania ka tsy mahasahy mivoaka ny trano. Manararaotra izany ny olon-dratsy amin’izao fotoana fiakaran’ny vary eny an-tsaha izao. Nanaovan’ny andian-jiolahy mitam-basy latsak’alina ny tanimbary iray. Fongana tanteraka ny vary efa niandry hojinjaina. Nitondran’ny olon-dratsy fiara mihitsy nitaomana azy.

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nitrangan’ny fanafihana tany amin’ny tanàna iray ambanivohitr’Ambositra. Rehefa avy nitety ireo tokantrano vitsivitsy teo an-tanàna ny mpanafika, dia tsy nijanona hatreo fa naka izay rehjetra sendra azy. “Tsy mijanona amin’ny fandrobana omby ao am-bala intsony ny dahalo. Alainy avokoa izay sendra azy na ombin-tsarety, na entana ao an-tokantrano na fitaovan-dakozia ary hatramin’ny voly eny an-tsaha”, hoy ny fitarainan’ny tantsaha. Matahotra ny olona ka tsy mahasahy manohitra.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.