Mpanentana amin’ny fahitalavitra notanana am-ponja vonjimaika

Nampidirina am-ponja vonjimaika, ny 08 aprily 2020,  ny tovovavy iray mpanentana fandaharana ao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto Antananarivo. Fanaparitahana horonampeo mirakitra vaovao diso, mety hitarika fanakorontanana ny filaminam-bahoaka, tany anatin’ny tambazotra sôsialy, no antony anenjehana azy.

Araka ny fanazavana avy amin’ny zandary, dia ny 20 martsa 2020 lasa teo no niparitaka io horonampeo io. Voalaza ao anatin’izany fa “efa misy 200 no voan’ny aretina COVID-19 eto Antananarivo, 70 any Toamasina ary efa nisy maty ireo marary ireo”. Voalaza tao anatin’ny horonampeo ihany koa fa mahazo fandrahonana ny mpanao gazety ka tsy afaka mamoaka vaovao.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.