Tsy nisy olona voa tamin’ireo an-jatony voatily

Vaovao tsara raha ny re tamin’ity androany ity, araka ny nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta satria tsy misy olona vaovao voan’ny valanaretina coronavirus tao anatin’ny olona an-jatony natao fitiliana omaly. Mijanona ho 93 izany ny isan’ny olona voa eto Madagasikara ka ny 82 amin’izy ireo no mbola tazonina eny amin’ny hopitaly manerana an’i Madagasikara. 11 amin’izy ireo no sitrana tanteraka hatreto.

Nanamafy ny Pr Vololontiana Hanta fa tokony hajaina hatrany ireo fepetra napetraka ho fisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity. Tokony  hijanona ao an-trano raha tsy misy antony manokana, aza adinoina ny manao aro-tava rehefa mivoaka ny trano, hajao ny elanelana 1m rehefa misy olona maromaro, sasao matetika amin’ny savony ny tanana, tsy tokony hifampikasoka rehefa mifampiarahaba. Rehefa miverina ao an-trano, dia sasao amin’ny rano sy savony ny faladian-kiraro, ary sasana amin’ny rano misy savony na misy alikaola ny kitapo sy ny fitaovana nampiasaina tany ivelany.

Sidonie R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.