Lehilahy 14 nosamborina teny Ambohimanarina sy ny manodidina

Lehilahy 14 no nosamborin’ny polisy teny Ambohimanarina sy ny manodidina noho ny tsy fanarahan-dalàna. Misy amin’izy ireo no saika hanendaka mpitaingina moto, naniratsira polisy teo am-panatanterahana ny asany, ny hafa indray dia mpisotro toaka sy tomponà bar, izay marihuana fa tsy manana alalana hanokatra tranombarotra.

Amin’izao fotoana izao dia hentitra dia hentitra ireo mpitandro filaminana, amin’ny fampanarahan-dalàna ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Eny am-panatanterahana ny asany eny anefa, dia tsy ilaozan’ireo izay mahita olona mbola minia mandika izany lalàna izany ihany izy ireo.

2 tamin’izy 14 voasambotra no fantatra fa nifanenjehana hatreny an-tanimbary mihitsy, noho izy ireo avy nanambana antsy mpitondra moto teny amin’ny “rocade” Andohatapenaka. Ny 3 kosa dia naniratsira polisy, izay nanao ny asa fanentanana ny olona hamonjy fodiana. Rehefa voasambotra moa izy ireo dia nosavaina, ary dia mbola nahatratrarana rongony teny aminy.

Ireo ambiny kosa dia ireo tratra tao anaty bar, izay mbola ninia nisotrosotro, ary noraofina niaraka tamin’ny tompon’ilay toerana, izay efa nolazaina fa tsy mahazo misokatra, saingy mbola nanokatra izany antsokosoko ihany.

Mazava ny an’ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao, fa dia fanatanterahana ny baiko sy ny fampanarahan-dalàna ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.