Ligue des Champions : ireo daty vaovao

Rehefa tapaka tamin’ny volana marsa lasa teo, dia nivoaka ny daty vaovao hanatanterahana sy hanohizana ny fifaninanana Ligue des Champions any Europe. Ny 22 Jolay ho avy izao àry no hotanterahana ireo lalao 1/8-dalana ambiny izay tsy mbola tanteraka. Tsy miandry ela fa 28 sy 29 jolay ary ny 3 sy 4 Aogositra no hanaovana ny lalao ¼ dalana. Ny 11 sy 12 aogositra ary ny 18 sy 19 aogositra no hanaovana ny lalao manasa-dalana ary farany ny 29 aogositra no hiatrika ny lalao famaranana ireo ekipa roa farany.

Efa navoakan’ny UEFA ihany koa anefa ny mety ho ambangovangon’ny taom-pilalaovana 2020-2021. Ny 20 oktobra no fantatra fa hanombohany, izany hoe 1 volana monja aorian’ny taom-pilalaovana amin’izao fotoana izao.

Mbolatiana R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.