Lozam-pifamoivoizana : tale 3 ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam- pirenena no indray namoy ny ainy

Lozam-pifamoivoizana nampalahelo, narahinà fahafatesana no niseho teny amin’ny lalam-pirenena faha-efatra, tao amin’ny kaominina Andriba ny Zoma voalohan’ny volana May lasa teo.
Maty nandritra izany ny tale telo mirahalahy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy arak’asa na ny “MENETP” dia ny Tale Jeneralin’ny ONCFP (Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle) ALI Imrana, ny Talen’ny ONaPASCOMA (Office National de la Prévention des Accidents Scolaires de Madagascar) RABE Severin ary ny Talen’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériels Didactiques) ANDRIANJAFIMPARANY Ampy Anders.
Mpianatra 2 hafa izay niara-dalana tamin’izy ireo tao anatin’ny fiara no fantatra fa naratra mafy, ary tsy maintsy nakarina eto Antananarivo.
Araka ny vaovao voaray dia niala ny lalana, ary tafalatsaka tany anaty hantsana efa ho 100 metatra ny fiara tsy mataho-dalana nandehanan’izy ireo.
Fantatra fa nohon’ny harerahana, narahinà torimaso fotsy no nitarika ny loza. Io fiara io izay potipotika sy ravarava mihitsy.
Ireto tompon’andraikitra ambony ireto dia fantatra fa nitarika ny delegasiona avy amin’ny minisitera tany Antsiranana, nanara-maso ny fiatrehana ny fiverenan’ireo mpianatra hanala fanadinana an-dakilasy. Efa an-dalana nitodi-doha niverina izy ireo io tra-doza io. Taorian’ny fizahana sy ny fitsirihana dia nankarina teto an-drenivohitra ireo razana. Tetsy amin’ny minisitera foibe no nivantana ny nofo mangatsikan’ny talen’ny ONaPASCOMA sy ny talen’ny CNAPMAD, fa ny talen’ny ONCFP kosa dia teny amin’ny mosquée 67ha.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.