MID : L’Ariary se porte mieux

MID : L’Ariary se porte mieux

Manomboka mitaintaina ny mponina any amin’ireo tanàna manodidina ny kaominina Amboasary Gara hatrany Anjiro any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Manahy ny hisian’ny tranga toy ny tany Soamahamanina ihany koa izy ireo. “Efa manangasanga any an-toerana ny hisian’ny fitrandrahana volamena amin’ny toerana midadasika izay hosahanin’ny sinoa”, hoy ny sefo fokontany iray any an-toerana.
Araka ny fanazavana, dia efa tonga any anivon’izy ireo ny taratasy misy sonian’olona ambony eto amin’ny firenena izay miendrika fampahafantarana ho an’ny kaominina sy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Nanamarina ny fisian’io taratasy io ny tompon’andraikitry ny zandary ao Amboasary Gara, raha nanamarinan’ny mpanao gazety vaovao. « Fampahafantarana ihany no anay fa efa nosoniavin’ny tany ambony io », hoy ny fanazavana azo. Mandry andriranantsy amin’ny mety hoavin’izy ireo sy ny taniny izay misy ny toeram-ponenany sy ny fasan-drazany ny mponina. Manahy ny hiverenan’ny zava-mitranga ao Soamahamanina any amin’izy ireo.

F.A.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.