Mihavitsy ireo mpangataka fanomezan-dalana ho an’ny fiaran’orinasa tsy miankina

Taorian’ny telo andro namelan’ny fitondram-panjakana ireo mpitatitra hitondra ireo olona hody any amin’ny Faritra misy azy avy, dia mangina tanteraka ny « Gare routière » Andohatapenaka androany. Tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana, dia tsy ahitana na fiara iray mpitatitra nasionaly teny Andohatapenaka. Ankoatra izay, dia mbola mitohy kosa ny famoahan’ny ATT ny taratasy fahazahoan-dalana mifamoivoy ho an’ireo fiara ampiasain’ny orinasa tsy miankina. Tsikaritra ho efa mihena anefa ireo olona, solotenana orinasa, maka izany fahazoan-dalana izany. Voahaja tsara ihany koa ny fepetra rehetra amin’ny ady tsy hiparitahan’ny valanaretina COVID-19, izay mbola manaloka ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izao. Saika afa-po amin’ny tolotra omen’ny ATT sy ny Ministeran’ny Fitaterana avokoa moa ireo olona tonga manao ny fangatahana androany. Etsy ankilan’izay, dia tiana ihany no manamarika fa mbola manankery hatrany ireo fahazahoan-dalana navoaka tamin’ny 15 andro voalohan’ny fihibohana. Tato ho ato mantsy, dia nisy ny tsy fifankahazoana kely teo amin’ny mpitandro filaminana manao ny asany misakana ireo fiara mivezivezy amin’ny filazana fa efa lany daty ireny fahazoan-dalana ireny. Fantatra àry fa manankery avokoa ireo taratasy fahazoan-dalana azo hatramin’ny fanombohan’ny fihibohana voalohany ka hatramin’izao.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.