Nakatona sy nodiovina avokoa ny tsena lehibe eto Antsirabe

Tafiditra indrindra amin’ny ady sy fisorohana ny aretina coronavirus, dia nandray fepetra hentitra ny Fiadidiana ny Tanànan’Antsirabe sy ny Faritra Vakinankaratra hanidy ireo tsena lehibe eto an-drenivohitr’I Vakinankaratra, sy hanaovana fanadiovana tao. Voakasik’io fitsipika io ny tsena roa lehibe dia ny tsena Sabotsy, izay isan’ny toerana nandalovan’ilay vahiny mpizahatany izay nitondra ny tsimokaretina coronavirus sy ny eo Antsenakely. Vao mangiran-dratsy dia efa natomboka ny fanadiovana sy ny fanesorana ny fako rehetra izay nivangongo tao. Taorian’izany, dia notondrahana fanafody famonoana bibikely sy otrikaretina ny toerana rehetra. Ny Sampandraharaham-paritry ny Fahasalamana sy ny Kaominina renivohitra Antsirabe moa no niara-nisalahy tamin’izany. Tsy maintsy hotandrovina mafy kosa ny lamina ara-pahadiovana ao anatin’ireo tsena ireo, ary manomboka izao dia ny tapany maraina ihany no hisokatra ireo tsena ireo fa hikatona kosa ny tolakandro. Raha ny nambaran’ny delegen’ny tsena, Atoa René Ratovoson, dia hampihatra dina mihitsy izy ireo amin’io tsy maintsy hanajana ny fahadiovana io.

MAMY (Antsirabe)

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.