Nanodinkodina zaza tsy ampy taona : vazaha lahy nidoboka am-ponja

Vazaha lahy iray no naiditra am-ponja any Toliara ny alarobia 29 Aprily lasa teo. Voampanga ho mpanodinkodina zaza tsy ampy taona izy io.
Tsy vitan’izany, fantatra fa dia misy mihitsy ireo voarebirebiny, ka tonga manatona azy eny amin’ny trano fonenany, na any aminà trano fandraisam-bahiny.
Tsy mijanona amin’ny fanodinkodinana ny sain’ireo ankizy ihany, fa dia izay tratran’ny fandrebirebeny, dia manao firaisana ara-nofo aminy mihitsy, ary tambazany vola rehefa vita izay fahafinaretany sy fanararaotana ara-nofo ataony izay.
Ny zaza kely indrindra efa voarebirebin’ity vazaha ity dia 12 taona, araka ny vaovao voaray.
Vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, dia nanokatra fanadihadiana ny polisy avy ao amin’ny “PMPM” tany Toliara. Voaporofo tokoa ny fisian’io tranga io, ary dia nosamborina ilay vazaha.
Nandritra ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana, dia nivoaka avokoa ny ratsy vitan’ity vazaha ity, ary dia io tsy afa-bela io izy fa naiditra am-ponja vonjimaika.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.