Nifandona ny zandary sy fokonolona : Olona enina maty, zandary iray naratra tany Mananjary

Nifandona ny zandary sy fokonolona : Olona enina maty, zandary iray naratra tany Mananjary

Vaky ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona tany Mananjary. Olona enina no maty voatifitra nandritra ny fihetsiketsehana teo anoloan’ny tobin’ny zandary ao Analanjavidy. Zandary iray kosa no naratra voatora-bato, araka ny nambaran’ny vavolombelona iray. Vokatry ny fahafatesan’ny kartie mobila iray any an-toerana, voalaza fa nodarohan’ny zandary no nahatonga ny fifanjevoana, ny marainan’ny alarobia tokony ho tamin’ny iray ora maraina.
Araka ny fanazavan’ny nanatri-maso, dia nisy kartie mobila iray nanatitra mpangalatra tao amin’ny zandary, niharan’ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana. Ny alatsinainy lasa teo no nitrangan’izany. Voatery nampidirina hopitay noho ny ratra nahazo azy io kartie mobila io. Nanomboka teo ny fahatezeran’ny mponina.
Maty ny alin’ny talata, tokony ho tamin’ny valo ora io kartie mobila io, rehefa notsaboina tao amin’ny hopitaly. Vao mainka nihombo ny hatezerana, ny alin’ny talata, raha nahare izany ny olona. Niandoha tao Andovosira ny fihetsehana ary nihazo ny biraon’ny zandray ao Analanjavidy. “Efa nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ny zandary, hanaparitahana ny olona, ny talata alina manodidina ny tamin’ny 10 ora”, hoy ity loharanom-baovao ity, “saingy tsy nampirava ny mpanao fihetsiketsehana izany”.
Tamin’ny iray ora maraina, ny alarobia, dia vaky tanteraka ny ady. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso.  Nirefotra ny basin’ny zandary. “Bala tena izy no nampiasaina”, hoy ny vavolombelona iray. Nifamaly tamin’ny tora-bato izany.
“Hatramin’ny omaly hariva, dia olona enina”, hoy ny loaranom-baovao, “no maty vokatry ny tifitra. Zandary iray kosa no naratra”. Nilaza ity loharanom-baovao ity, fa mbola tarehimarika vonjimaika ihany ireo, satria misy fatin’olona hafa ahian’izy ireo ho nosintonin’ny zandary ary nafenina.

Fah A.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.