Nitety tokantrano nanamasina sampankazo i Père Pedro

Noho ny Coronavirus, dia naaton’ny Fiangonana avokoa ny fotoam-pivavahana  rehetra. Amin’ity herinandro ity anefa dia miditra amin’ny  fankalazana ny Herinandro Masina ny Eglizy. Ho an’ny Eglizy katolika, dia omaly alahady no nankalaza ny fetin’ny Sampankazo ny mpino.

Isan’ny niavaka indrindra ny fankalazana izany teny amin’ny Akamasoa tarihan’ny mopera Pedro. Koa satria tsy  afaka natao ny fotoam-pivavahana dia nivoaka teny ivelany avokoa ny mpino, nitondra sampankazo. I Mompera Pedro mihitsy, taorian’izany, no nandeha fiara 4×4 nanara-dia ireo mpino ireo, ary namafy rano voahasina ny sampankazo sy ny mpino rehetra tsy ankanavaka. Nitety ny tanàna rehetra tao amin’ny Akamasoa, tamin’izany fomba izany moa i mompera Pedro, ka namafy rano voahasina sy nitsodrano ireo tokantrano tsirairay sy ny sampankazon’izy ireo.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.