Ny Rado Rafalimanana : voatazona eny amin’ny Brigade de recherche criminelle etsy Fiadanana

Voatazona eny amin’ny “brigade de recherche criminelle” etsy Fiadanana androany i Ny Rado Rafalimanana. Izany dia noho ny raharaha roa hanaovana fanadihadiana sy famotorana azy.

Androany maraina dia fantatra fa nanakorontana teny amin’ny CCI Ivato ity mpandraharaha sady kandida ho filoham-pirenena tamin’ny fifidianana farany teo ity. Tamin’io fotoana io dia nitondra fianakaviana, natao fitiliana teny an-toerana izy. Niditra an-tsehatra teo anatrehan’izany ny Zandarimariam-pirenena, izay sady miandraikitra ny fiambenana eny an-toerana. Avy hatrany dia nalefa eny Fiadanana i Ny Rado Rafalimanana taorian’izany.

Efa atao fanadihadiana momba io raharaha io ity mpandraharaha ity, araka ny vaovao voaray, raha vao tonga teny an-toerana.

Ankoatra io anefa dia fantatra ihany koa fa nisy fitoriana napetraky ny kolonely iray teny Fiadanana, izay momba resaka fisolokiana.

Efa miatrika ny famotorana mikasika izany ihany koa i Ny Rado Rafalimanana araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao, dia mbola voatazona eny amin’ny “brigade de recherche criminelle” eny Fiadanana ity mpandraharaha ity.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.