People : nodimandry teo amin’ny faha-81 taonany i Christophe

Taorian’i Manu Dibango, mpihira malaza teratany camerounais, dia artista iray indray no nodimandry tao anatin’izao krizin’ny Coronavirus izao. I Christophe, ilay mpihira frantsay niangaly ireo hira tsy afaka ambavan’ny maro, toy ny “Aline” sy  “Succès fou” dia nodimandry ny alakamisy 16 Aprily teo amin’ny faha-81 taonany. Ny vadiny no namoaka ny vaovao. Tsy nolazainy kosa anefa hoe tena ity Coronavirus ity marina no tena nahavoa azy fa dia ny antsoina hoe “emphysema”, aretin’ny havokavoka.

Ny faran’ny volana Martsa teo izy no nampidirina hopitaly. Avy hatrany izy dia nampidirina Réanimation ary nitohy niharatsy ny toe-pahasalamany. Amin’ny faran’ity volana ity anefa i Christophe  dia tokony mbola hiakatra an-tsehatra saingy izao izy tsy afaka hihaona amin’ny mpankafy azy izao intsony.

Mbolatiana R

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.