Roseliane, mpanakanto : indroa tratran’ny Coronavirus

Mpanakanto malagasy monina any Frantsa i Roseliane. Isan’ireo olona tratran’ny coronavirus izy, ary ny azy dia efa indroa miantoana izy no tratran’izany, raha araka ny notantarainy nandritra ny firesahany mivantana tamin’ny mpankafy azy tamin’ny tambazotra sosialy.

 Ny 23 martsa teo izy no voa voalohany. Notantarainy tamin’izany fa narary andoha mafy izy ary voan’ny gripa, ary nitatra tany amin’ny havokavoka izany. Voalaza fa ankoatra ny fanafody aretina andoha izay omen’ny mpitsabo, dia efa nampiasa fanafody gasy izy, toy ny evoka sy ny tambavy. Efatra andro ihany dia nahitany vokany izany, ary sitrana izy.

Taorian’izay anefa, rehefa nivoaka ny trano izy, dia fantatra fa niverina tratran’ny coronavirus indray. Mbola sitrana ihany anefa izy nampiasa evoka sy tambavy hatrany, niampy ny fanafody nomen’ny mpitsabo. Nanome hafatra ho an’ny Malagasy moa izy mba hitandremana tsy ho tratran’izany aretina izany amin’ny alalan’ny fiarovan-tena sy ny fampiasana evoka raha sanatria mitranga ny fambara. Manentana ny Fitondram-panjakana ihany koa izy mba hijery akaiky ireo olona sahirana mitady izay hohanina isan’andro.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.