Sambava : manohitra fepetra ny olona, velom-panahiana ny sefo fokontany

Asa mafy ny fanentanana sy fandresen-dahatra ny olona hanaja ny fepetra hiadiana amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Coronavirus. Mafy ihany koa ny nahazo ny raiamandreny iray efa 72 taona sady sefo fokontany any Antanandava Amboahangibe, any amin’ny Distrikan’I Sambava, Faritra SAVA raha nanao fanentanana tao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara mpitatitra, ny  03 Aprily lasa teo. Tsy nanaiky ny hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ny tao amin’ny parcage. Norabirabiana ary nopetahana anarambosotra mihitsy ilay sefo fokontany. Latsa-dranomaso ilay lehilahy lehibe efa 72 taona.

Tsy izaho nadalain’ireo ao amin’ny parcage ho tratran’ny retour d’âge na nopetahana anaram-bosotra hoe Coronavirus no mahalatsa-dranomaso ahy, fa ny tahotro raha sanatria tafiditra aty amin’ny Faritra SAVA ity aretina ity, betsaka no ho faty noho ny tsy finoana ny fisiany ka mahatonga ny olona handà ny fanajana ny fepetra. Vita ny adidiko”, hoy ilay sefo fokontany tamin’ny mpanao gazety nanatrika.

Ity sefo fokontany ity no zokiolona indrindra na sojaben’ny sefo fokontany any amin’ny Distrikan’i Sambava. Efa hatramin’ny taona 1975 izy no nitana izany andraikitra izany.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.