Sambo Melissa Express tonga tao Maroantsetra : tsy misy mitondra ny tsimokaretina ireo mpandeha 250

Olona miisa 250 izay nandeha tamin’ny sambo Melissa Express no voaporofo fa tsy misy mitondra ny tsimokaretina Coronavirus na iray aza, rehefa nahavita ny fe-potoanan’ny fitokana-monina tao amin’ny CRINFO Maroantsetra.

Mpianatra ao amin’ny oniversite ao Toamasina sy eto Antananarivo avy izy ireo. Vantany vao tonga tao Maroantsetra izy ireo ny 28 martsa lasa teo, dia natoka-monina avy hatrany. 

Ny sabotsy lasa teo no fantatra fa nandalo fitiliana TDR izy ireo ka fantatra fa tsy nahitana tsimokaretina na ny iray aza, ka afaka nody avy hatrany.

Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy idiran’ny tsimokaretina coronavirus any Maroantsetra. Nisy ny fametrahana ireo fepetra maro samihafa tahaka ny barrage sanitaire. Eo ihany koa ny fanentanana ny olona ary ny fampahafantarana azy ireo ny mombamomba io aretina io.

TR.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.