Shyn sy Denise : Notolorana ny medaly volamena iraisam-pirenena

Tontosa ny alarobia lasa teo ny fanolorana ny medaly volamena iraisam-pirenena na ny «médaille d or international des arts et culture » an’ny mpanakanto Shyn sy Denise.
Tonga taty Toamasina izay toerana fiaviany ireo mpanakanto 2 ireo ny filohany komity iraisam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina Atoa Jean Eric Duluc natolotra an’i Shyn sy Denise ny medaly volamena. Tao amin’ny hotely Calypso no nanaovana ny lanonana fanolorana ity medaly volamena ity.
Hafalina ny azy roa ireto tamin’ny fandraisana izao mari-pankasitrahana izao satria dia midika fa nisy vokany ny asa nataony. Ary tsy adinon’izy ireo no nankasitraka ireo mpankafy azy anisan’ny nanohana nahatongavana amin’izao tanjona izao.
Araka izany dia afaka ny hifaninana amin’ireo mpanakanto matihanina any ivelany i Shyn sy Denise ary vonona hatrany ny hitondra avo ny kolotsaina malagasy amin’ny alalan’ny zavakanto.
S.R
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.