Soamandrakizay : Zaza telo tafasaraka tamin’ny ray aman-dreniny

Vahoaka maro be no nifanaretsaka tetsy Soamandrakizay, toerana nanatanterahina ny sorona masina notarihin’ny Papa François, omaly alahady. Nifangaro tao na ny ankizy, na ny tanora, na ny lehibe sy efa nahazo taona, satria dia samy te hahita mivantana ny Papa Ray masina, indrindfa fa hanotrona izany sorona masina lehibe izany.
Nandritra izany indrindra, dia zaza 3 mianadahy no tafasaraka tamin’ny ray aman-dreniny, izay samy hafa fiaviana. Noraisin’ny polisy an-tanana ny momba ireo ankizy ireo, rehefa tonga teny amin’izy ireo izy telo mianadahy.
Avy hatrany, dia naterina teny amin’ny «sœur Capucine» eny Sabotsy Namehana, ho azo antoka sy lavitry ny mety loza hahazo azy ireo. Tsy nisalasala ny ao amin’ity toerana ity nandray azy ireo sy nikarakara.
Izany fanaterana sy fandraisana azy telo mianadahy izany, dia vonjimaika ihany. Andrasana ny fahatongavan’ireo ray aman-dreniny sy ny havany haka azy ireo.
Araka ny fanazavana voaray, dia avy eny Ambohidroa Morarano Chrome, Ambatolampy Ambohibao ary Ambohijanaka ny fiavian’izy telo mianadahy ireto. Tamin’ny fotoana nivoahana taorian’ny sorona masina no nisy fifanjevoana, satria dia nifangaro ny rehetra, fa tsy tafajanona tamin’ny toerana iray intsony. Nandritra izany indrindra no tafasaraka tampoka tamin’ireo havany sy ny ray aman-dreniny izy ireo ary dia izao noraisin’ny polisy an-tanana sy naterina teny amin’ny masera izao.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.