Tantely Andrianarivo : “Tratran’ny aretin’alahelo”, hoy ny amiraly Ratsiraka

Tantely Andrianarivo : “Tratran’ny aretin’alahelo”, hoy ny amiraly Ratsiraka

11

Nijoro vavolombelona tamin’ny fisian’ny fikasana ny hanao izay hahalasa adala an’i Tantely Andrianarivo, nandritra ny fotoana nitazonana am-ponja azy tao anatin’ny fitondrana Ravalomanana Marc, ny amiraly Ratsiraka.

An-dalana maromaro no itondrany izany ao anatin’ilay boky nosoratan’i Cécle Lavrard-Meyer ary itaterany ny tafany tamin’ny amiraly Ratsiraka. Aretin’alahelo no nilazan’ny amiraly Ratsiraka ny nahazo ny praiminisiny Tantely Andrianarivo. Aretina izay mitondra mankany amin’ny famoizam-po ary mety hiafara amin’ny famonoan-tena. « Taorian’ny fitarafana natao taminy, dia fantatra fa aretin’alahaleo no nahazo azy ary mety hitarika azy any amin’ny famonoan-tena. Nampitaiko tamin’ny mpitondra frantsay io vokatry ny fitarafana io, tamin’ny ala­-
lan’ny namana iray ary efa niteny tamin’izy ireo ny tenako fa tsy hangina fa hitoroka ny tsy famonjena ain’olona tra-doza raha sanatria ka maty ao amin’ny hopitaly ny praiminisitrako », hoy ny amiraly Ratsiraka. Nitady ny fomba rehetra naafahana nandefa an’i Tantely Andrianarivo ho any am-pita ny Amiraly tamin’izany fotoana izany, araka ny nambarany ao anatin’ilay boky. « Tena natao mihitsy izay hahalasa adala an’i Tantely Andrianarivo. Nisy fotoana tena efa lasa lavitra ny fivoaran’ny aretiny ary efa nahatonga azy niteny irery », hoy ny fijoroana vavolombelon’ny Rain’ny Repoblika faharoa. Ny faran’ny taona 2003, dia navoaka ny toerana nitazonana azy i Tantely Andrianarivo ary nalefa nitsabo tena tany Parisy Frantsa, rehefa nahazo ny fankatoavan’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Amin’izao fotaona izao, dia mandeha indray ny resaka fa mampiahiahy be ihany ny fahasalaman’ny praiminiistra teo aloha Tantely Andrianarivo any am-pitan-dranomasina. Anisan’­-
ny voalaza fa antony iray nahatonga izany ary mitambesatra aminy, ny tsy naha­fahany niatrika ny fifidianana filoham-pirenena farany teto Madagasikara. Voatery nisintona ny tenany, rehefa nilaza ny filatsahany ny amiraly Ratsiraka ary antony ho mbola nampifoha ny aretin’alahelo mahazo azy izany zava-nitranga izany.

F.A/ Marc A

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.