Toliara : notolorana vary sy savony ary arovava ireo mahantra

Manohy hatrany ny fanentanana amin’ny ady atao amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19 ireo tomponandraikitra any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Ankoatra ny fanentanana isan-karazany atao, dia nanolotra vatsy ho an’ireo sahirana tsy ankanavaka tao Toliara ihany koa izy ireo androany. Hetsika notarihan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto, izay sady Minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Andrefana. Tamin’izany no nanolorana vary sy savony ary arovava ho an’ireo vahoaka sahirana ireo. Niara-nisalahy tamin’ny Minisitra mpiahy tamin’izany moa ny Governora, Préfet, ben’ny Tanàna, DRPPFS, DRSP any an-toerana sy ireo mpikambana ao amin’ny “Centre Opérationnel COVID-19” ao Toliara. Nandritra ity fotoana nanatanterahana ny fizarana ity moa no nilazan’i Tinoka Roberto, fa efa voafehy ny fipariahan’ny valanaretina COVID-19 ao Toliara. Nisy mantsy ny fandraisan’andraikitra avy hatrany tamin’ireo olona voalaza fa nitondra ny tsimokaretina sy ny olona nitankosona taminy. Na izany aza, dia nanentana hatrany ny vahoakan’Atsimo Andrefana ity Minisitra mpiahy ity, hanaraka ny fepetra hiarovana amin’ny valanaretina.

                        Jacquinot R.

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.