Andranovory Toliara : tapaka ny famatsiana fanafody

Tapaka nanomboka tamin’ny  fotoana nampiharana ny fihibohana teto Madagasikara ny famatsiana fanafody ho an’ireo toeram-pivarotana madinika tany Andranovory Toliara. Nifampitadiavana ny fanafody toy ny Paracétamol sy  ny vitamines C, araka ny fanazavan’ny mpivarotra fanafody ao Andranovory. Mbola misy mivarotra ny Chloroquine ary niakatra ihany koa ny vidiny, araka ny nahitana maso azy tany an-toerana, ny 25 martsa lasa teo.

Tsy  nisy fiakarana mihitsy ny vidin’ny fanafody hafa, hoy ny fanazavan’ny mpivarotra. Ireo karazana lasa be mpitady tampoka noho ny aretina coronavirus ihany no niakatra noho ny tsy fahampian’ny tahiry. Raha 100 ariary no nidivianana ny pilina paracétamol iray teo aloha, dia niakatra ho 300 ariary izany. Mahatratra 30 000 ariary ny boaty iray ahitana plakety miisa folo. Mitovy amin’izany koa no ivarotrana ny Chloroquine. Ny vitamines C indray, dia lasa 500 ariary ny singany izany hoe  5 000 ariary ny plakety iray tao Andranovory Toliara ihany.

F.A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.