Tsy fanaovana aro tava : Hohentitra ny zandarimariam-pirenena

Hovoasazy ireo rehetra tsy manao aro tava manomboka ny Alatsinainy ho avy izao raha araka ny nolazain’ny filoham-pirenena ny Alahady lasa teo. Hampanaja izany toromarika izany ny zandarimariam-pirenena ka hanasazy ireo olona rehetra tsy manaraka io fepetra io. “Raha misy olona tsy manao ilay aro tava dia efa manana kifafa izahay vonona hampihatra ny sazy ho an’ireo izay tsy manaraka. Ampamafana lalana sy tokontany ireo tratra rehetra”, hoy ny fanazavana nomen’ny Jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Mbola fanapahan-kevitra am-pahendrena sady maivana izany raha mitahy amin’ny any ivelany, hoy ihany ity tompon’andraikitra ambony ity. Nolazainy mantsy fa any ivelany dia vola be no alohan’ireo olona tsy manaraka ny toromarika fa tsy vitan’ny fanaovana asa ho an’ny be sy ny maro fotsiny ihany.
Omaly moa dia fantatra fa nanolotra fanampiana ho an’ny zandarimariam-pirenenany congrégation indienne zanatany de Madagascar ka ny filohany no tonga nanolotra vary 100 kitapo, aro tava 300, savony ary ary fitaovana ilaina amin’ny andavanandro.
Mahakasika kosa ny resaka fiverenan’ny fisokafan’ny fiangonana dia nilaza ny SEG fa tsy mifanohitra amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena ny filazan’ny FJKM. Na izany aza anefa dia misy ny didim-panjakana hivoaka ary misy ihany koa fanapahan-kevitra horaisin’ny praiministra ka izay no andrasana ary harahina, hoy hatrany ny fanazavany.

TR.

Imprimer Imprimer

Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.