“Vatsy Tsinjo” ho an’ny zokiolona eny Soavina sy Tanjombato

Niroso tamin’ny fizarana ny “Vatsy Tsinjo”, avy amin’ny Filoham-pirenena, ho an’ireo zokiolona ao amin’ny Distrika Antananarivo Atsimondrano androany ny tomponandraikitra. Ny depiote voafidy tao amin’ny Distrika, Ratsivahiny Andry, no nitarika izany fidinana ifotony izany, ka ny Kaominina Soavina sy Tanjombato no nisantarana izany androany.

Ny maraina dia teny Soavina izy ireo no nizara, fa ny tolakandro kosa dia teny amin’ny fokontany Tongarivo, kaominina Tanjombato no nanolorany ny vatsy Tsinjo, ho an’ireo zokiolona. Tsiahivina fa avy amin’ny Filoham-pirenena, hiatrehana izao fotoan-tsarotra lalovan’ny vahoaka izao izany fanomezana “Vatsy Tsinjo” izany.

Mazava ny an’ny depiote Ratsivahiny Andry, fa efa mipetraka ny lamina, ary hanombohana azy ny fanomezana ny anjaran’ireo zokiolona, fa ho avy ihany koa ny an’ireo sahirana ara-pivelomana sy ireo mpanasa lamba sy ny hafa.

Ho an’ny kaominina Tanjombato manokana, dia efa mipetrapetraka avokoa ireo asa entina hanampiana ny vahoaka, ary efa manao izany izy ireo amin’izao fotoana izao, hoy ny ben’ny Tanàna Rakotojohary Tovo.

Ankoatra ny efa fizarana ny “Vatsy Tsinjo”, dia efa nanampy ireo sahirana, tamin’ny fizarana mofo ihany koa izy ireo.

Efa natao ihany koa ny fanadiovana ny Tanàna sy ny fandrarahana ranom-panafody.

Tsy ho ela dia hiroso amin’ny fizarana ny fanampiana avy amin’ny Filoha, ho an’ireo hafa rehetra izay tokony hahazo izany izy ireo.

Tantely A

Imprimer Imprimer
Ce contenu a été publié dans Ma-LAZA. Vous pouvez le mettre en favoris avec ce permalien.

Les commentaires sont fermés.